Accueil > Paroles
Aleloia Aleloia ôia e e e
Raisinay Tenin–Jagnahary ee ia
Ankatoavinay Tenin–Jagnahary ee ia
Fa teny masina sy mahery, Aleloia ia ee ia.
Teny mahavita ny raha jiaby e ia
Na ny voaary any an–danitra
Na koa ny eto an–tany
Ka mba raisinareo va ?
Raisinay Tenin–janahary, Aleloia a e ia
Fa Teny mampisy ny masoandro
Ny kintana jiaby amin'ny habakabaka e ia
Ny ranomasim–be midadasika
Ny lohasaha mandonaka ny tany e ia
Ny zaka jiaby manan'aigny
'Zay mameno ny eto an–tany e ia.