Le diocèse de Tolagnaro

      Accueil > Paroles > ISIKA REHETRA IZAO

    Paroles

  1. ALELOIA, RAISINAY TENIN-JAGNAHARY
  2. AMINNY FO MADIO BABA
  3. ANTSIKA JIABY IRETO
  4. BE ANKITINY
  5. FA NY FAHASOAVANANDRIAMANITRA
  6. FIADANANA NENTININY
  7. GNY RAHA VITAN-JAGNAHARY
  8. HAVELOGNE TSY TAMPETAMPETSE
  9. HIRAVORAVO AMINNY ASANAO
  10. ISIKA REHETRA IZAO
  11. ISIKA VORY ETO IZAO
  12. LOMBAHO ZAHAY ZAGNAHARE
  13. MANOA MISAOTRA RY ABA
  14. MBA RAISO NY TOLOTRAY E
  15. MIARA-DALANA
  16. MIFONA MIVALO AHO TOMPO
  17. MISAOTRA E!
  18. NATSANGAN-DRAE
  19. NDAO ISIKA RE RY ABA
  20. NY FITORIANA NY VAOVAO MAHAFALY
  21. TSIOFY RANO
  22. VORY AKETO

ISIKA REHETRA IZAO

Isika rehetra izao
Samihafa raha ny fomba, samihafa ny fiteny
Nefa kosa iray vatsy, iray aina avokoa
Jesoa Kristy no ilay Vatsy, Mofo fiainana ho antsika
Ka ny vatana zarainy no mampiray antsika rehetra

Isika rehetra izao
Manodidina eto latabatry ny Tompo
Na kely aza ny anjara,valala iray ifanapahana
Nefa mbola mihoatra lavitra ny fanasana rehetra
Dia ny vatana aman-drani Kristy Lay Mofo Aina !

Isika rehetra izao
Raha mbola ety an-tany ny fiainantsika aloha
Dia tantely amam-bahona, ka tsy maintsy mila namana
Dia I Kristy Lay Zoky Mpiara-dia tsy mandao
Mifampizara amintsika, na ny manta na ny masaka

Isika rehetra izao
Mbola tsy afaka mandray anjara aminny fanasana
Lanonanny Voavonjy any an-tranonIzy Ray,
Nefa eo ny Nofon-kena izay mitana fihavanana,
Dia ny vatani Jesoa
Eo anatrehantsika isanandro

 

Retour