Accueil > Paroles > NDAO ISIKA RE RY ABA
1. Ndao isika re ry Aba
Ndao isika re ry Endry e !
Hanolotra sorona
Ka mofo sy divay no atolotray
Aminao Andriamanitra ô.
Mitsinjaha isika re !
Mifalia isika re !
Entanin-kafaliana,
Hihira fihobiana
Ao an-tranon-dRagnahary ê !
2. Ndao isika re ry Aba,
Ndao isika re ry Endry e !
Hiara-mankalaza
Ny tenanay tontolo no atolotray e
Aminao Andriamanitra ô
3. Ndao isika re ry Aba,
Ndao isika re ry Endry e !
Hidera an-dRagnahary
Ny fonay manontolo no atolotray
Aminao Andriamanitra ô