Accueil > Paroles >MIARA-DALANA
Miara-dalana amintsika
Isan’andro isan’andro e ny Tompo
Anatin’ny hafaliana anatin’ny manahirana
Ly ro anilantsika
Tsa avelany ho irery antsika (aoke)
Eko mamindra, ary matokia
Ny fitiavany tsa mba ho afaka amintsika (in-4)
1. Tsa tadiavin-davitsa iy !
Fa tena mariny antsika
Tsa aia fa eo anivontsika eo
Feny tsa nisy nanavisa
Tokana ny Raintsika
Vana olo-raika antsika
Mpianakaby !
Eko tany soa re ny fihavanana
2. Tsa mba misaraka amintsika
Ny fanahiny anatintsika
Nahoana ke ro vo misalasala
Tsa mba miova ny fitiavany
Asika efa nanjary havany
Zanaka an-dranon-dRainy
Atsika ro iraka ;
Vavolombelona
Hampahilalany ny fitiavany
3. Aja laitsa miandrandra
Ny lanitsa ambony any’tsika
Jahao ireo sahirana,
Ireo mahadinaina : Tenany koa ireo
Mamelona atsika ny tenany ;
Mampahery antsika ny tarony
Ano hiara-dia, hanavao ny tany
Fa samy manana ny hainy